FampidiranaNandritra ny herinandron'ny 21 martsa 2005 dia nototosaina tao amin'ny KNARP (Karoka Nasionaly Ampiharana ny Raki-Panafody) Antananarivo ny atrika'asa fianarana ny fifandraisan'ny koltora, ny olona, ny zavamaniry ary ny tontolo iainana. Ny atrik'asa dia nokarakarain'ny Missouri Botanical Garden (MBG) sy ny KNARP izay misolotena ny "International Cooperative Biodiversity Group" ao anatin'ny tetik'asa hikarohana fanafody vaovao eto Madagasikara.Nizara roa moa ny fomba nitondrana an'ity atrik'asa ity ka ny tapany voalohany dia fampianarana an-dakilasy izay natao tao Antananarivo ary ny tapany faharoa fampiharana eny ambanivohitra ka tamin'ireo tanàna manodidina ny alan'Analalava ao anatin'ny kaominin'ny Mahavelona (Foulpointe) no voasafidy nanaovana izany.Nisy lohahevitra maromaro nozaraina tamin'ny mpandray anjara hanaovana ny fampiharana. Ny fanadiahadiana izay nataoko dia mikasika Ny zavamaniry tena ilain'ny olona amin'ny fiainany andavanandro amin'ny toerana iray. Ity lahatsoratra ity izany dia mandravona ny valin'ny fanadihadiana natao tao Morarano mikasika an'io lohahevitra io.I Morarano dia tanàna eo amin'ny5 km atsimo andrefan'ny alan'Analalava (saritany 1), sahabo ho 15 km ao atsimo andrefan'i Mahavelona (renivohitry ny kaominina), ao anatin'ny faritanin'ny Toamasina. Ny maridrefy ara-jeografika misy azy dia ny latitida 17° 43' 54" S (Atsimo) sy ny longitida 49° 25' 38" E (Atsinana). Ny haavony raha oharina amin'ny ranomasina dia 70 m eo ho eo. Avy amin'ny foko Betsimisaraka ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ity tanàna ity ary mahatratra hatramin'ny telonjato (300) ny isany. Saika mpamboly avokoa izy ireo. TanjonaNy tanjon'ny fanadihadiana izay natao dia mamantatra ny zavamaniry izay tena akaiky ny olona ao an-tanàna, tarafana avy amin'ny fampiasany azy an-davanandro. Fomba Nanaovana Ny FanadiahadianaTalohan'ny fanadihadiana dia nisy ny fihaonana tamin'ny tangalamena sy ny olom-boafidy tompon'andraikitra ao amin'ny tanàna, niaraka tamin'ny solotenam-pokonolona. Nohazavaina tamin'izany ny anton-dia ary nanotaniana ny hevitr'izy ireo ny amin'ny fanadihadiana izay hatao. Taorian'ny resaka nifanaovana moa dia nanaiky izy ireo fa tsy misy ny olana amin'ny fiarahana miasa aminay.Talohan'ny nanombohana ny asa koa dia napetraka ny tsangan-kevitra hoe rehefa hanotaniana ny olona iray momba ny fiainany sy ny zavatra hampiasainy dia izay mandalo matetika eo amin'ny masony sy/na nampiasaina vao haingana no tadidiny. Noho izany dia fanadihadiana mandeha tsirairay tamin'ny olona maromaro no na-
scite is a Brooklyn-based organization that helps researchers better discover and understand research articles through Smart Citations–citations that display the context of the citation and describe whether the article provides supporting or contrasting evidence. scite is used by students and researchers from around the world and is funded in part by the National Science Foundation and the National Institute on Drug Abuse of the National Institutes of Health.
customersupport@researchsolutions.com
10624 S. Eastern Ave., Ste. A-614
Henderson, NV 89052, USA
This site is protected by reCAPTCHA and the Google Privacy Policy and Terms of Service apply.
Copyright © 2024 scite LLC. All rights reserved.
Made with 💙 for researchers
Part of the Research Solutions Family.